Alatsinainy 1 Janoary 2024

Ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy. 2 Jaona 3

Hampitomboina ho anareo anie ny famindrampo sy ny fiadanana ary ny fitiavana. Joda 2

 

Ireo „firariantsoan’Andriamanitra” ?

Rehefa mandia taona vaovao isika dia mahazo hafatra maro mitondra firariantsoa feno fikasana tsara, avy amin’olona samihafa.

Ny teny eo am-piandohan’ity takila ity, teny avy ao amin’ny Baiboly, dia milaza ireo „firariantsoan’Andriamanitra”. Izy ireo dia miantefa amin’ny olona rehetra mametraka ny tokiny amin’Andriamanitra. Fampanantenana ny fitiavana tsy mba miova avy amin’Ilay Andriamanitra nahary antsika ireo teny firariantsoa ireo, ka tsy misy ifandraisany velively amin’ireo teny faka tahaka fahita ao amin’ny internet ! Ireo dia teny velon’Andriamanitra, azo itokisana, misy heviny ho an’ny tsirairay amintsika —firariantsoa arakaraka ny olona, ary tsy manadino an’iza na iza.

Ireo mpanoratra ity alimanaka ity dia te hiteny amin’ny mpamaky tsirairay fa tsy mba nisaraka tamin’izy ireo mihitsy ny fahasoavana, ny famindrampo, ny famelan-keloka ary ny fiadanana entin’i Jesosy. Anatin’ny toejavatra sarotra eo amin’izao tontolo misy antsika izao, dia tsy hay visavisaina ny hasarobidin’ireo fampanantenana azo antoka ireo. Miaraka amintsika isanandro izy ireo, na inona na inona zava-miseho ; tsy vidina, ary tsy amidy indray.

Eto am-panombohana izao taona vaovao izao,

— Ny sainao ve feno tetikasa, miaraka amina safidy sy tsinjo momba ny hoavy ?

— Atahoranao ve izay havoakan’ny ampitso ? satria efa tena sarotra iny taona lasa iny : aretina, fitokanana irery… famoizan-kavana angamba.

— Mahatsapa ve ianao fa toa miatrika ady mafy isanandro, hany ka tsy te hiarina intsony rehefa tonga ny ampitso maraina ?

Enga anie ireto takelaka hovakinao ireto, mirakitra teny avy ao amin’ny Baiboly arahina hafatra, mba hitondra ho anao ireo fiantran’Ilay Andriamanitra fiadanana, Izay fahazavana sy fitiavana.