Talata 2 Janoary 2024

(Hoy Andriamanitra :) Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Salamo 50:12

Fantatrareo ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny alahelony. 2 Korintiana 8:9

 

Tsy nanana na inona na inona mba Azy Izy

Jesosy no Ilay Mpahary, koa araka izany dia Azy manontolo izao rehetra izao. „Tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra… Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany” (Kolosiana 1:16).

Nefa rehefa tonga teto amin’izao tontolo izao Izy, dia teraka tao amina ankohonana mahantra. Ny fandriany voalohany dia fihinanam-bilona ; nampandrin’ny reniny tao Izy, satria tsy nisy toerana ho azy ireo tao amin’ilay tranom-bahiny.

Rehefa lehibe Izy dia nitoriteny tamin’ny vahoaka, nindrana sambokely-na mpanarato iray, ho lampihazo hitenenana (Lioka 5:1-3). Nohodidinina vahoaka noana Izy, ary nanaiky ny sakafo nentina zazalahy kely iray, hamokisany vahoaka be (Jaona 6:9). Mba handoavany ny hetra, dia trondro iray tao amin’ny farihy no nanome Azy ny vola tsy nananany (Matio 17:27).

Rehefa niseho tany Jerosalema amin’ny maha Mpanjaka Azy Izy, dia nitaingina zana-borikin’olon-kafa (Matio 21:1-11). Tao amina efitrano nampindramina sakaiza iray (Matio 26:17-19) no nankalazany ny Paska sy nanaovany veloma ny mpianany. Talohan’ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana, dia nendahina taminy ny fitafiany ka nifampizaran’ny miaramila (Jaona 19:23). Rehefa maty Izy dia napetraka tao anatin’ny fasana ana mpianatra iray, dia i Josefa avy any Arimatia (Matio 27:59-60).

Jesosy, feno fanetrentena sy nahantra, dia azon’ny olona rehetra nohatonina, na inona na inona sarangany sy fari-piainany. Tsy mba nanao tsinontsinona an’iza na iza Izy. Niaina tao anaty fahantrana Izy hanasoavany antsika, ary avy eo dia nanolotra ny ainy teo amin’ny hazofijaliana, mba hampanankarena antsika amina famonjena mahatalanjona : famelan-keloka, fiadanana, ary hoavy feno fahasambarana eo anilany. Ianao ve mahafantatra manokana ny fahasoavana sy fitiavan’i Jesosy ?