Alarobia 3 Janoary 2024
Andriamanitra dia fitiavana. Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika : Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. 1 Jaona 4:8-9
Efa niainanao ve ilay fahatsapana tsy manam-paharoa hoe tia anao tsy misy fepetra Andriamanitra ?
Dia izany tokoa ve ? Rehefa mieritreritra mantsy aho hoe misy Andriamanitra, dia tsy mahazo aina satria vesarana fahadisoana sasantsasany ny fieritreretako. Ireny lainga, hambanian-tsaina tiako hafenina ny olona ireny ve, haiko afenina an’Andriamanitra ? Ahoana no hialako amin’io tsy fahazoana aina io ? Tokony hanao asa fivalozana ve aho ? tokony hanao asa soa vitsivitsy mba hankasitrahan’Andriamanitra ahy ?
Tsia, tsy misy fahamendrehana ahafahana mahazo ny fitiavan’Andriamanitra ; tsy hay heverina izany. Ary raha tsy miangatra isika mijery ny ao anatintsika sy eo amin’ny fiainantsika, dia hahita fa tena tsy mendrika mihitsy.
Hafa tanteraka ny marina : tia antsika Andriamanitra, satria fitiavana Izy, fa tsy hoe satria isika maha te ho tia.
Marina fa tia antsika tsy misy fepetra Andriamanitra, saingy tsy midika tsy akory izany hoe Andriamanitra bonaika Izy ka mandefitra amin’ny fahotana rehetra ataon’ny olombelona.
Andriamanitra dia fitiavana, ka manolotra maimaimpoana ho an’ny tsirairay ny fomba ahafahana miala tamin’ny toerana maha olo-meloka, toerana tsy mifanaraka amin’ny fahamasinan’Andriamanitra.
Andriamanitra dia hazavana sady fitiavana, ka tsy tia namela antsika ao amin’io toerana io, tsy ahafahantsika mifandray aminy. Koa tonga tetỳ an-tany Jesosy Kristy Zanany Lahitokana, mba hizaka ny famaizana sahaza ny fahotantsika. Noho izany Andriamanitra dia afaka mamela ny helok’izay miaiky fa meloka.
Satria tia anao Andriamanitra, dia miandry anao, amin’izao maha ianao anao izao. Aza miandry ela intsony, fa manatòna Azy !