Alakamisy 4 Janoary 2024

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16

Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy. Jaona 3:36

 

Resadresaka momba ny finoana

— Sambatra ianao manana finoana ! Na ananana izany e, na tsy ananana. Izaho aloha tsy manana, dia izay.

— Ny finoana anefa dia fihetsika tena hita hatraiza hatraiza… Raha ny marina, dia tsy ho afaka miaina raha tsy misy karazana finoana.

— Tsy izany mihitsy ka ! Izaho mahafantatra olona maro tsy mpino, nefa tena miaina tsara.

— Eny e, izy ireny dia mihevitra fa tsy natao hino an’Andriamanitra, nefa dia mino ny dokoterany manome taratasim-panafody azy, mino ny injeniera namorona ny hisatra amin’ny fiarakodiany, mino ny mpamokatra ny zavatra vidiny… Raha zohina, dia mino olona na zavatra mandrakariva isika !

— Hay ve, izany indray anie dia fatokiana e, fa tsy dia hoe finoana. Tsy maintsy manana fatokiana, na dia faran’izay kely aza, fa raha tsy izany, tsy hiaina intsony !

— Izay indrindra ! Angatahin’Andriamanitra tsotra fotsiny isika hatoky Azy, ho famonjena ny fanahintsika. Tolorany fomba tsotra isika mba hahazo mifanatrika aminy, dia ny finoana fa mamafa ny fahadisoantsika ny nahafatesan’i Jesosy Kristy Zanany. Angatahiny isika hiray hevitra tanteraka aminy momba ny fahitany ny toetran’ny olona tsirairay, hoe mpanota. Angatahiny isika hatoky Azy amin’ny fomba nofidiny mba hamonjeny antsika. Tsy hatrany am-bohoka mantsy ny faharesen-dahatra hoe afaka matoky Azy, tsy nolovaina ; fa na isika mandray, na mandà ny tolotra omeny. Atolotra ny tsirairay ny finoana ny asam-panavotan’i Jesosy Kristy. Tsy hampiditra anao ao anaty antokom-pivavahana iray tsy akory izany, sao izay no atahoranao. Fa hampifandray anao amin’Andriamanitra. Hafa tanteraka io.