Alakamisy 5 Desambra 2024
Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko. Romana 7:18
Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko. Galatiana 2:20
Nanana toetra mitandro antsipirian-javatra aho fony teraka, ka nampananosarotra ny fiainako izany. Mikofokofoka tsy misy farany aho mba ho tandrify tanteraka amin’izay tena izy, eo amina toejavatra tsy ahitan’ny hafa olana akory. Nampijaly ahy izany, indrindra nandritra ny naha zatovo ahy. Satria nino ny Tompo Jesosy aho, dia niezaka hanao izay mahafaly Azy. Nefa dia betsaka ny fotoana laniko nitsikera tena, nanenina noho ny fitondrantenako, niezaka hanao tsara kokoa. Nibahana tao an-tsaiko ny „Izaho” : „izaho” sy ireo fahadisoako, „izaho” sy ny finoako tsy ampy mihitsy, „izaho” sy ny tsy fananako fitiavana an’Andriamanitra… Tena nahakivy !
Ankehitriny aho efa olon-dehibe, ary nianatra nanaiky ilay teny hoe : „Fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko”. Misy olona mahita hoe manampy trotraka sy mahaketraka io teny io. Ho ahy kosa dia tao no nahitako ny fanafahana. Andriamanitra dia tsy miandry zavatra tsara na inona na inona avy amiko, tsy manantena na inona na inona avy amin’ny fahaizako manao ny tsara, araka ny maha olona ahy. Tsy manantena ahy koa hanatsara ny tenako Izy, ary mifanohitra amin’izany aza, fa vao mainka esoriny amiko io „izaho” mangeja ahy io, miara-homboany amin’i Kristy eo amin’ny hazofijaliana (Galatiana 2). Afaka aho, ary ela ny ela ka sambatra !
Nanomboka hatreo, ny teny filamatry ny fiainana maha kristiana ahy, dia ny misaina kely faran’izay azo atao momba ny tenako ! Aleoko ny masoko avily tsy hijery io „izaho” tsy hay sitranina io, ka atodika any amin’ny Tompo, toy izay aho hanao fandinihan-tena mampitebiteby. Nanomboka teo aho dia afaka miaina araka izay mahafaly Azy, satria nailik’i Kristy io „izaho” nolovaiko fony aho teraka io : Kristy no velona ato anatiko.
Ry tanora mpino, aza mamoy fo ianao raha mikofokofoka miady amin’ny „izaho”-nao. Vakio ary avereno vakina ireo toko faha-6 ka hatramin’ny faha-8 ao amin’ny epistily ho an’ny Romana. Dia hasehon’Andriamanitra anao ny fomba „handehanantsika… amin’ny fiainam-baovao”.