Zoma 6 Desambra 2024
Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin’ny paralysisa ho eo aminy (Jesosy), izay nolanjain’efa-dahy. Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan’ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon’ny trano nitoeran’i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian’ilay nararin’ny paralysisa. Marka 2:3-4
Tao Kapernaomy Jesosy, tao amina trano iray, ary ny olona nifanisika hihaino Azy. Nisy lehilahy efatra nitondra lehilahy iray malemy tamina fandriana, nitady lalana hankeo amin’i Jesosy. Tsy afaka natao izany, satria be loatra ny olona, ka tsentsina ny varavarana.
Nifandinika ireo lehilahy ireo. Hanaiky lahatra ve izy ireo ? ka hifampilaza hoe : „Efa nanao izay azontsika natao isika, nefa tsy afaka miroso lavitra kokoa. Izay no izy, ary azo antoka fa tsy maintsy ho izay, tsy misy na inona na inona azo hatao… Sady Jesosy koa anie tsy mila antsika e. Raha tsy maintsy ho sitrana ity namantsika ity, dia ho sitrana foana, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana…”
Soa fa tsy izany mihitsy no resaka nifanaovany momba ity namany marary. Nifampiteny izy ireo hoe : „Eto Jesosy, hainy ny manasitrana ny namantsika, tsy maintsy mahita hevitra isika hitondrana azy eo aminy”.
Dia nanana hevitra feno fahasahiana izy ireo : hiakatra any an-tampon-trano, mitondra ny fandriana ; hanisy fidirana mifanandrify tsara amin’i Jesosy ; ary hampidina ny marary ho eo afovoan’ny trano, manoloana Azy. Dia tafidina tsara mihitsy teo anoloan’i Jesosy ny farafara, noho ny finoana mahery tao amin’ireto mpinamana efa-dahy. Teo ilay marary no nandray ny fanasitranana, ny famelan-keloka, ary ny fitahiana. Hamafisin’ireo filazantsara fa nahita „ny finoan’ireo” Jesosy, ka nanasitrana ilay naman’izy ireo. Tsy ny finoan’ilay marary tsy akory no resahina, fa ny an’ireto namany !
Ohatra lehibe toy inona moa izany, ho antsika kristiana ! Manana namana anaty fahasahiranana ve isika ? Aza manaiky ho kivy noho ireo sakana isika, fa ndao kosa hitondra azy amin’ny vavaka, finoana, hery ary fahasahiana ho eo amin’i Jesosy, Ilay mamela heloka sy manasitrana !