Asabotsy 7 Desambra 2024
Aza misakaiza amin’izay mpiboboka divay sy izay fatra-pitia hena ; fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena ; ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba. Ohabolana 23:20-21
Izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be. Lioka 16:10
Mba hanomezana vahana ny fandrosoana ara-toekarena, dia ampirisihina isika hanjifa betsaka kokoa hatrany. Ho amin’izany ireo faniriantsika dia hetsehina tsy tapaka amin’ny dokam-barotra. Ary firifiry moa ny olona tsy maintsy hiteny, indray andro any, hoe : „Tsy nitsitsy aho, nandany vola ; ankehitriny aho dia tsy maintsy manara-maso hatramin’ny fandaniako faran’izay kely indrindra.”
Ny Baiboly dia miresaka amintsika olona nandanilany foana ny fananany. Anisan’ireny ilay zanaka lahy nitaky ny anjara lovany (jereo Lioka 15:11-32), mba hahafahany miaina malalaka tsy misy teritery. Saingy rehefa avy nandany ny volany rehetra tamin’ny filibana izy, dia tsy maintsy niverin-dalana ary tsy maintsy tonga saina fa diso lalana. „Nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho”, hoy izy tamin-drainy.
Mihevitra isika indraindray fa antsika ny volantsika mbamin’ireo fananantsika ara-karena. Koa manana zo isika hampiasa izany araka izay tiantsika. Tian’Andriamanitra ho takatsika fa Izy no mampindrana ireny antsika, ho an’ny fiainantsika eto an-tany. Hampamoahany isika momba izay nanaovantsika ireny, toy ny nataon’ilay olona manankarena tamin’ny mpitandrina ny fananany, izay nandanilany foana izany (jereo ny Lioka 16:1-13). Nesoriny taminy ny fitandremam-pananana, satria hitany fa tsy marina izy.
Isika ve mba mankasitraka an’Andriamanitra noho ireo fitahiana ara-nofo rehetra etỳ an-tany arotsany amintsika ? Afaka misaotra ny Tompo ny mpino, rehefa misakafo na mandray karama. Zava-dehibe ny ahatsapantsika fa avy aminy no andraisantsika izany rehetra izany, mba hampiasantsika ireny araka izay iriny.