Alahady 8 Desambra 2024

Fa na dia nanankarena aza Izy (Jesosy), dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny alahelony. 2 Korintiana 8:9

Tsy efa nofidin’Andriamanitra va ny malahelo amin’izao fiainana izao, ho mpanankarena amin’ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy ? Jakoba 2:5

 

Harena sy fahantrana (2)

Nangataka tamin’Andriamanitra i Agora hoe : „Aza manome ahy alahelo na harena ; fahano aho amin’izay anjara hanina sahaza ho ahy” (Ohabolana 30:8).

Isika ihany koa dia afaka mangataka amin’Andriamanitra hiaro antsika amin’ireo zavatra mihoa-pampana. Na dia nianatra ho faly ao amin’ny toejavatra niainany aza ny apostoly Paoly, dia afaka niteny hoe : „Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo” (Filipiana 4:12).

Samy tandindomin-doza, na mahantra na manankarena. Ny harena dia mety hitarika antsika hiavonavona sy hanivaiva ny hafa. Ampitandremana ireo manankarena hoe : „Anaro ny mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika” (1 Timoty 6:17).

Ny fahantrana dia mety hitondra antsika ho amin’ny fangidiana, eny ho amina zavatra mahameloka aza. Nahatakatra izany i Agora, ka niteny hoe : „Andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra ka hanamavo ny anaran’Andriamanitro” (Ohabolana 30:9).

Tetỳ an-tany ny Tompo Jesosy, Izay Tompon’ny zavatra rehetra, dia niaina tao anatin’ny fahantrana, mba hampanankarena antsika. Afaka mibanjina Azy teo amin’ny fiainany isika, mba haka Azy ho môdely. Asehony antsika fa tsy manan-danja ary natao ho levona ny zavatra etỳ an-tany sy ara-karena. Ny tena fananana dia ara-panahy, any an-danitra. Ny finoana no mahatonga antsika hanankarena ny amin’ny tena harena, ary efa afaka misitraka ireo sahady ny mpino.

(tapitra)