Alatsinainy 9 Desambra 2024
Tsy nahazo nampiseho hery akory Izy (Jesosy) teo… Ary gaga Izy noho ny tsy finoany. Marka 6:5-6
Kanefa tsy nahazo niery Izy. Fa niaraka tamin’izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zanany vavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin’ny tongony. Marka 7:24-25
— Ao amin’ny tantara voalohany (Marka 6:1-6) Jesosy dia tany amin’ny taniny. Fantatra tsara tao Izy, amin’ny maha zanak’ilay mpandrafitra Azy. Fantatra ihany koa ireo rahalahiny sy anabaviny (Matio 13:55-56). Mihevitra ho mahalala Azy tsara aoka izany ny olona, hany ka tsy misy na iza na iza mahatakatra hoe iza marina moa Izy, Andriamanitra tonga mamangy ny olony, mampiasa ny heriny sy ny fitiavany ho an’ny olombelona. Nanakana an’i Jesosy tsy hanao fahagagana ny olona mahimahina sy tsy mino manodidina Azy.
— Ao amin’ny tantara faharoa (Marka 7:24-30) Jesosy dia niditra tsy misy mahafantatra ao amina trano iray. Nisy renim-pianakaviana iray nanan-janaka vavy azon’ny demonia, anefa, nahafantatra fa tao Izy. Nihazakazaka izy ary niankohoka teo an-tongony. Nino izy, nikiry nitalaho tamin’Ilay hany fanantenany. Dia nositranin’i Jesosy ny zanany.
Manaitra ny fifanoherana eo amin’ireo tantara roa ireo. Ao amin’ny voalohany, ny teny hoe „taniny” dia mampahatsiaro ireo firenena voaova ho kristiana. Mihevitra ho mahafantatra an’i Jesosy ny olona : mpanao asa soa, olona mendri-panajana. Dia ampy izay, ary tsy fantatra hoe iza marina moa Izy. Ny tsy finoana manodidina dia sakana tsy hiasan’i Jesosy ao amin’ny firenentsika. Tsy afaka manao na inona na inona Jesosy, ka miala tany amin’ny toerana onenan’ny olona mihevitra ho tsy mila Azy.
Ao amin’ny tantara faharoa kosa, tany amin’ny sisin-tanina firenena vahiny iray, dia nisy fahoriana. Nilaina Jesosy tao, ary tsy mba mitodi-damosina na oviana na oviana amin’ireo izay mitady Azy. Tsy „nahazo niery” Izy, nanaiky ho hita, ary mamaly mandrakariva ny finoana.
Ary ianao, mihevitra ho mahafantatra an’i Jesosy ve ianao ? Mino ve ianao fa afaka manao zavatra ho anao Izy ? Mila manokana Azy ve ianao ?