Talata 10 Desambra 2024
Indro, ataoko eo anoloanareo ny làlan’ny fiainana sy ny làlan’ny fahafatesana. Jeremia 21:8
Mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao. Deoteronomia 30:19
Misy fanontaniana tsy voavahan’ny saina, nefa manan-danja faran’izay lehibe. Mamaly ireo ao amin’ny Baiboly Andriamanitra, Izay tia ny olombelona noarìny.
— Nahoana moa no tapaka ny fifandraisantsika aminy ? Dieny tany am-boalohany ny olona dia te hanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra, ka nisafidy ny tsy hankatò Azy. Nanota izy, ka tsy afaka nanatona malalaka intsony an’Andriamanitra, Izay masina.
Ahoana no hiverenana indray amin’io fifandraisana io, ho voavela heloka, ary hihavana amin’Andriamanitra ? Tia antsika rehetra Andriamanitra. Tonga olona Izy tao amin’ny Zanany. Tonga Jesosy hampiseho amintsika io fitiavana io, nanaiky hisolo toerana antsika mba hizaka ny famaizana sahaza ireo fahadisoantsika. Raha mino Azy isika, dia mamela ny helotsika Andriamanitra ary manome antsika ny fiainana mandrakizay.
— Nahoana no misy ny fahafatesana, ary inona no hitranga aorianan’izany ? Iza no afaka manome valinteny azo antoka, raha tsy Andriamanitra irery ihany ? Jesosy dia manome fampahazavana manaitra momba io lohahevitra io, tamin’ny nampisehoany ny toetran’olona roa aorianan’ny fahafatesana : mpino iray, sy iray tsy mino (Lioka 16:19-31). Na manana na mahantra, izay tsy nino an’Andriamanitra fahavelony dia hijalijaly ary haniry hampiononina. Saingy misy hantsana tsy afaka iampitana mampisaraka azy amin’izay mpino. Ankehitriny isika no tokony hankatò sy hanaiky ny lalana mankany amin’ny fiainana. „Izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra… manana fiainana mandrakizay” (1 Jaona 5:13).
Mety ho hita hoe mora loatra izany. Nefa tsotra toy izany ny zavamisy. Maty Kristy mba hamafa ireo fahotantsika, ampy ny manokatra aminy ny fontsika sy mino izay lazainy, mba hananantsika dieny ankehitriny ny fiainana mandrakizay. Anjarantsika ny manapa-kevitra ! — Efa nataonao ve io safidy io ?