Alarobia 11 Desambra 2024
Hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy (ireo rehetra mino), noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Romana 3:24
Fa fahafatesana no tambin’ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 6:23
Ny mandà fanomezana dia manafoana azy io tsy ho an’ny tena, aloha, nefa ihany koa maniratsira ilay mpanolotra. Arakaraka ny maha sarobidy ilay fanomezana no maha lehibe ny fatiantoka, sy maha lehibe koa ny faniratsirana ilay nanome izany. Andriamanitra anefa dia nanolotra ny Zanany Lahitokana sady malalany, ary niaraka taminy, ny famonjena mandrakizay. Tsy ilainao ve izany ? Samy tombano àry izay verinao sy ny hoe toa inona ny faniratsiranao an’Andriamanitra.
Nahoana moa no maro aoka izany ny olona tsy te handray io fanomezana mahatalanjona avy amin’Andriamanitra io ? Angamba satria lavin’izy ireo tsotra izao ny hahita ny tenan’izy ireo eo amin’ilay toerana ara-toe-panahy lazain’ny Soratra Masina fa misy antsika tsirairay, dia hoe „maty” ao amin’ireo fahadisoantsika sy fahotantsika (Efesiana 2:1). Sarotra ekena izany, nefa dia izany no zavamisy. Raha mandà tsy hino izany, dia manao an’Andriamanitra ho mpandainga (1 Jaona 5:10). Dia hataontsika ho mpandainga ve Andriamanitra ? Ny fahasoavany dia manolotra ho antsika ny famelan-keloka. Tsy misy resaka tsy akory hoe mendrika hahazo io fahasoavana io. Ny fahasoavana dia tsy azo noho ny fahamendrehana, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra. Tsy hafatra asehon’ny Baiboly antsika ny hoe fivavahana mitaky asa. Tsy misy olona afaka ho voavonjy amin’ny alalana asa, satria avo lenta loatra ny zavatra takin’Andriamanitra.
Ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy no hany mampiseho ny fahasoavana tsy misy fangarony omen’Andriamanitra, ary manambara io fahasoavana io amina mpanota. Rehefa miaiky ho mpanota isika, dia izay no hany fepetra hahazoantsika io fanomezam-pahasoavana io. Atsory fotsiny ny tanantsika mba handray azy : izany no finoana.