Alakamisy 12 Desambra 2024
Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin’ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra. Efesiana 4:10
(Hoy ireo anjely tamin’ireo mpianatra :) Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra. Asan’ny Apostoly 1:11
Ny mpianatr’i Jesosy dia niara-niaina taminy nandritra ny taona maromaro. Vavolombelon’ny fahagagana nataony sy ny fahasoavany izy ireo, ka nianatra hahafantatra sy hitia Azy.
Taorianan’ny nahafatesany sy ny nitsanganany velona indray, Jesosy tenany mihitsy dia niseho tamin’izy ireo nandritra ny 40 andro (Asan’ny Apostoly 1:3) :
— Ny alahady nitsanganany velona indray, Jesosy tenany mihitsy dia niara-dalana tamina mpianatra roa lahy nandeha nody any an-tanànany. Nanasa Azy hiara-misakafo aminy izy ireo, ary nihetsi-po lalina nony nahafantatra hoe hay Izy ilay nizara ny mofo (Lioka 24:13-35).
— Ny harivan’io ihany, Jesosy tenany mihitsy dia nitsangana teo afovoan’ny mpianatra tafavory. Nasehony azy ireo ny tanany sy ny lanivoany, ary niteny Izy hoe : „Izahao… fa Izaho no Izy”. Tsy isalasalana, fa tena Izy tokoa io (Lioka 24:36-40) !
— Nony afaka 40 andro Jesosy dia niakatra any an-danitra, tao anatina rahona. Rehefa tsy hitan’ny mason’ny mpianatra intsony Izy, dia nisy anjely nanome toky azy ireo fa „iny Jesosy… iny” dia mbola hiverina indray, tahaka ny nahitan’izy ireo Azy niakatra teo (Asan’ny Apostoly 1:9-11).
— Ny apostoly Paoly koa dia nilaza ny hiavian’i Jesosy eny amin’ny rahona mba haka ireo olony : „Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra” (1 Tesaloniana 4:16).
— Any amin’ny faran’ny bokin’Andriamanitra dia rentsika Jesosy miteny avy any an-danitra hoe : „Izaho Jesosy… avy faingana Aho”. Any amin’i Jesosy no iakaran’ny valintenin’ny Fiangonana, hoe : „Avia, Jesosy Tompo !” (Apokalypsy 22:16, 20).
Ry kristiana, Ilay andrasantsika avy any an-danitra dia tsy mba olon-tsy fantatra tsy akory. Jesosy tenany mihitsy Izy, Ilay Jesosy feno fanetrentena resahin’ny Filazantsara, feno fitiavana sy fahasoavana ary hamoram-panahy ho an’ny rehetra, Izay ho avy haka antsika ary handray antsika ho eo akaikiny.