Zoma 13 Desambra 2024
Mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. 2 Petera 3:18
Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo. Kolosiana 3:16
Ao amin’ny Baiboly, ny tantaran’i Rota dia ohatra mahafinaritra mampiseho ny fahasoavan’Andriamanitra. Avy any amin’ny firenena Moaba, any amin’ny faritr’i Jordania ankehitriny, i Rota, izay tsy anisan’ny vahoakan’Andriamanitra. Vinantovavin’i Naomy izy, mananotena toa azy. Rehefa nanapa-kevitra handao ny tanin’i Moaba i Naomy mba hiverina any Israely taniny, taoriana-na fahoriana maro, dia niraiki-po taminy i Rota, ka tapa-kevitra nisafidy hanaraka azy. Nandao ny zavatra rehetra izy, ny fianakaviany, ireo namany, ireo andriamaniny, mba hiantehitra amin’Ilay Andriamanitr’i Naomy, Andriamanitra velona sy marina. Nanomboka hatreo dia finoana sy fanantenana iombonana no nampikambana azy mianaka, ary niara-tonga tany Betlehema izy nandritra ny fotoam-pijinjana, tsy nanana na inona na inona sady tsy nanan-kohanina.
Nefa Andriamanitra niahy azy ireo. Tany Israely, nandritra ny fijinjana, ny zoron’ny tanimboly dia tsy maintsy navela ho an’ny mahantra sy ny vahiny. Notantanan’ny tanan’Andriamanitra i Rota no nandeha nitsimpona tany an-tanimbolin’i Boaza, izay nandray azy ho eo ambany fiarovany, nikasika ny fony, ary nanome hanina azy. Nandritra ny tontolo andro izy dia nahangona salohim-bary betsaka, avy eo nively izany mba hahazoany ilay fotsimbary tena ilaina.
Izany dia milaza amintsika ny ilàna mamaky isanandro ny Tenin’Andriamanitra, rehefa niova fo, mba hahita ao ny sakafom-panahy raketiny, ary indrindra mba hahita an’i Kristy. Ry namana kristiana, ndao handinika tsara ny Soratra Masina am-bavaka, am-panetrentena ary am-paharetana. Rehefa vonton’ireo fihevitr’Andriamanitra amin’izany isika, dia handroso amin’ny fahalalana ny Tompo sy ny sitrapony, mba hahafaly Azy eo amin’ny fiainantsika, sy hampita amin’ny hafa izay noraisintsika avy aminy.