Asabotsy 14 Desambra 2024
Ny fitiavako dia valiany fandrafiana. Salamo 109:4
Ary ho an’ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an’Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. 1 Timoty 1:17
Rehefa naseho tamin’ny vahoakany i Saoly, ilay mpanjaka voalohany nanjaka tamin’ny Israely, dia nihoraka niray feo ny vahoaka nanao hoe : „Ho ela velona anie ny mpanjaka !” (1 Samoela 10:24). Ny tantara dia mampahafantatra antsika fa matetika no atao io antso io, rehefa misy mpanjaka vaovao.
Ohatra hafa tanteraka kosa no omen’ny Baiboly. Jesosy dia nentin’i Pilato, ilay solontenan’ny fahefam-panjakana romana tamin’izany fotoana izany, izay niteny hoe : „Indro ny Mpanjakanareo !”, teo anatrehan’ny vahoaka jiosy. Dia niantso ny vahoaka hoe : „Ento, ento, homboy amin’ny hazofijaliana Izy !” (Jaona 19:14-15). Tokony ho nandray Azy ny olona, nefa dia nandà Azy. Tokony ho nangataka ny hahavelona Azy, nefa dia nitaky ny hamonoana Azy.
Rehefa mandray ny fahefana ny mpitondra ny firenena iray, amin’ny ankapobeny dia mahazo ny fitokisan’ny olona, na dia mbola tsy fantatra loatra aza. Jesosy anefa dia efa fantatry ny vahoaka jiosy tsara. Nandritra ny telo taona mahery Izy dia nampiseho ny hamoram-panahiny tsy nety lefy. Koa aiza izany ireny malemy sy marary rehetra nositraniny ireny, tamin’ny fotoana nitakian’ny vahoaka ny hamonoana Azy ? Izany finiavana jamba sy feno hasiahana izany dia mampahafatatra antsika ny toetran’ny fon’ny zanak’olombelona.
Nefa na dia nankahala an’i Jesosy aza ny olona rehetra, Izy kosa tia azy rehetra. Nasehony izany tamin’ny nanekeny ho faty an-tsitrapo. Ary satria maty sy nitsangana velona indray Izy, dia manome, noho ny fahasoavany, ny fiainana mandrakizay ho an’izay miaiky ny toetrany jamba sy masiaka. Fa hanjaka Kristy, hoy ny Baiboly amintsika, ary tsy ho ela dia hanaiky ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo (Filipiana 2:11). Izy no „Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” (Apokalypsy 19:16).
Ianao ve efa manaiky Azy ho Mpamonjy sy Tomponao ?