Alahady 15 Desambra 2024

Fa rava ny fanorenana, ka inona indray no azon’ny marina atao ? Salamo 11:3

Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika ; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolotsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrianan’ny fiadanana. Isaia 9:5

 

Ny fomba mety hirodanan’ny zavatra rehetra

„Ary raha mirodana moa ny riban-tanintsika ? Tsy hoe afaka taonjato maromaro, fa amin’izao fahavelontsika izao… Mitombo ny isan’ireo mpanoratra, mpahay siansa ary fikambanana manambara ny fiafaran’ny riban’ny indostria… Inona no tokony hoheverina momba izany vinavinana matroka izany ? Nahoana no manjary tena sarotra ny misoroka vinan-tseho toy izany ? Nivadika toerana ny nofinofin-tsaina : izay mihevitra fa afaka hitohy toy ny teo aloha ny zavatra rehetra, izy indray no manjary atao hoe mpanonofy. Ny firodanana no faravodilanitra hitan’izao taranaka misy antsika izao, fiandohan’ny hoaviny. Inona no hisy aorianan’izany ? Mbola ilaina saintsainina sy vinavinaina ary iainana avokoa ny zavatra rehetra momba izany” (P. Servigne)

Ambaran’Andriamanitra antsika ao amin’ny Baiboly, fa hirodana tokoa, indray andro any, izao rehetra izao : „Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina ; ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra” (Hagay 2:6-7). Nefa inona moa no tanjon’izany ? Horaisin’Andriamanitra an-tanana ny fitantanana mivantana izao tontolo izao, hankininy amin’Ilay nohomboan’izao tontolo izao teo amin’ny hazofijaliana, dia Jesosy Kristy Zanany, Izay hambara, amin’izay fotoana izay, hoe Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo !

Koa inona àry no tokony hatao ? Miaiky amin’Andriamanitra ireo fahotako, mba ho afaka amin’izany. Mangataka Azy hitondra ny fiainako, ao anatin’izao tontolo very manalavitra an’Andriamanitra izao.

Hiverina tsy ho ela Jesosy ; fanantenana mandrisika antsika izany hiaina mba hankasitrahiny, eto am-piandrasana ny hiarahantsika aminy ao amin’ny fanjakany sy ny voninahiny.