Alatsinainy 16 Desambra 2024
Kristy Jesosy koa, Izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia… nofoanany ny tenany, tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona ; ary… Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana. Filipiana 2:5-8
„Amiko, ny fifanoherana eo amin’ny foto-pinoana sy ny Fanambarana an’Andriamanitra ao amin’i Jesosy Kristy dia toa mifantoka amina teboka roa.
Voalohany aloha, ny foto-pinoana dia avy amin’ny fihetsehampon’ny olombelona, ny tebiteby, ny fahabangana… Amin’ny lafiny iray hafa, ny tanjon’ny foto-pinoana dia ny hiakatra any amin’Andriamanitra ; miezaka ny olona hanakatra an’Andriamanitra eo amin’izay misy azy, araka ny asehon’ireo tranobe fivavahana tsy hita isa, nanomboka tamin’ny tilikambon’i Babela (Genesisy 11).
Ny Fanambaran’Andriamanitra ao amin’i Jesosy Kristy dia mifanohitra amin’ireo fironam-piheverana roa ireo. Toheriny ny fihetseham-pon’ny olona mpivavaka… Ireo andriamanitra foronin’ny olona dia andriamanitra manompo mandrakariva ny olona. Ilay Andriamanitry ny Baiboly kosa dia tsy manaiky hotarihin’ny sitrapon’ny olona. Izy dia Andriamanitra maneho tenany rehefa tiany izany, Andriamanitra eo amin’izay tsy iandrasana Azy, ary mahalana no eo amin’izay iandrasana Azy : izany hoe Andriamanitra tsy takatry ny sain’olombelona.
Ilay fifanoherana iray hafa dia mifototra amin’ny hoe avy any ambony mankany ambany ny Fanambarana ao amin’i Jesosy Kristy. Ilay Kristy manana endrik’Andriamanitra dia nahafoy tena mba hanjary olona ; naka ny toerana faran’izay ambany Izy, dia ny toeran’ny mpanompo, ary nanaiky ny famaizana mafy indrindra, famaizana ny andevo, izany hoe ny hazofijaliana.
Koa izany dia lalana midina : Andriamanitra manatona ny olona ary mankeo amin’izay misy azy, mba hanafaka azy sy hanome azy ny fahasambarana. Izany dia mifanohitra amin’ilay fihetsika ara-pivavahana, izay anirian’ny olona hiakatra any amin’ny toerana misy an’Andriamanitra. Mifanohitra tanteraka izany ny fitambaran’ireo antokom-pinoana sy ny fizotra fototry ny Fanambaran’Andriamanitry ny Baiboly amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.”
(araka an’i Jacques Ellul)