Talata 17 Desambra 2024

Sambatra ny miantra ; fa izy no hiantrana. Matio 5:7

Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota ; fa endre ny fahasambaran’izay mamindra fo amin’ny ory ! Ohabolana 14:21

 

Sambatra ny miantra

Matetika Jesosy no onena : amina vahoaka noana, olona jamba, lehilahy boka, na amina renim-pianakaviana misaona ny zanany lahitokana ihany koa. Ny fiombonam-pony manoloana ny fahoriana dia nasehony, tsy tamina teny fotsiny ihany, fa tamina asa ihany koa. Jesosy dia nampiseho teo amin’ny fiainany ny tena fiantrana (miséricorde). Ny fototr’io voambolana io dia teny latina midika hoe „fo tohina manoloana ny fahoriana”. Nasehon’i Jesosy izany tamin’ny tantaran’ilay Samaritana tsara fanahy, tantara nofaranany hoe : „Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa” (Lioka 10:37).

Impiry moa isika no tia tena, ary mafy fo mihitsy aza, manoloana ireo nanao ratsy antsika ! Hadinontsika ny tenin’i Jesosy hoe : „Tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, ka aza kivy na amin’inona na amin’inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo ; fa Izy mora fanahy amin’izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy. Aoka ho mpamindra fo ianareo, mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo” (Lioka 6:35-36).

Aza hadinointsika na oviana na oviana àry ny halehiben’ny famelan-keloka nomen’Andriamanitra antsika sy ny famindrampony amintsika. Tena mila izany isika. Dia ho takatsika tsara kokoa ny fihetsehampon’i Jesosy nanoloana ny fahantrana sy ny fahorian’ny hafa. Ary ho afaka hamaly izany isika amina asa feno hatsaram-panahy tena izy.

Sokafy ny masontsika, dia hampahitan’Andriamanitra fotoana maro isika hanehoantsika ny fiaraha-miory amin’ireo izay mijaly, haneho izany amina fanampiana iray, ohatra, na fanomezana, fitsidihana, na tsiky kely fotsiny ihany angamba. Ny famindrampo dia zavatra avy any an-danitra tonga eto an-tany.