Zoma 3 Janoary 2025
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy… ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo. Hebreo 4:12
Nandritra ny taonjato maro dia tsy maintsy nanankarena, na niaina tany amina monastera, vao afaka nahita Baiboly, ary tsy maintsy nahay ny teny latina vao afaka namaky azy ! Tamin’ny andron’i Johannes Gutenberg (1400-1468), namorona ny fanontana pirinty, ny Baiboly iray voatonta dia novidina teo amin’ny 70 florin teo, ary raha nadika tanana dia 400 ka hatramin’ny 500 florin. (Ny florin dia vola nampiasaina taloha tany amina firenena samihafa.) Tamin’ny taona 1500 tany ho any, dia 16 florin ny vidiny, ary tatỳ aoriana dia 1 ka hatramin’ny 3 florin.
Martin Lotera (1483-1546) dia nandika ny Testamenta Vaovao ho amin’ny teny alemana, tamina teny tsotra sy fiteny mahazatra, ka maro ny olona afaka nahatakatra ny ambarany. Dingana tena goavana io ! Tsy tombontsoa natokana ho ana manam-pahaizana manokana intsony ny mamaky sy mandinika ny Baiboly : samy afaka namaky azy sy nanorina ny finoany tamin’ny Tenin’Andriamanitra ny olona tsirairay.
Ankehitriny, any amin’ny firenena tandrefana, dia mora ny fahazoana Baiboly ho an’ny tena. Ho an’ny sasany dia asa soratra fotsiny ihany ny Baiboly, lovam-pianakaviana navela teo amina talantalana.
Ny Tenin’Andriamanitra anefa dia „velona”, mitondra hafatra tena araka ny toetrandro ankehitriny mihitsy. „Mahery” izy : miasa ao amin’ny fieritreretana sy fontsika, ary manova lalina ny fitondrantenantsika ; „maranitra noho ny sabatra roa lela” : milaza ny marina izy, am-pahitsiana sy mazava tsara. Ny Tenin’Andriamanitra dia manampy antsika hahatakatra ny antony mandrisika ipoiran’ireo eritreritsika sy ny fisainan’ny fontsika.
Ilaina eo amin’ny fiainana ny mamaky ny Baiboly ! Teny velona izy, mampahafantatra ahy ny lalana mitondra any amin’ny fiainana ao amin’i Jesosy Kristy. Fanilon’ny tongotro koa izy, fanazavana ny lalako (Salamo 119:105), manampy ahy hanaraka Azy Tompo.