Asabotsy 4 Janoary 2025
Ny mpiandry raharaha (niresaka momba an’i Jesosy) namaly hoe : Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany. Jaona 7:46
Mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany… hamonjy antsika. Efesiana 5:2
Nisy filôzôfa iray mihevitra fa tsy hay fantarina ny tontolo tsy azo tsapain-tanana. Nanambara izy fa ny hany boky hoentiny any amina nosy iray tsy misy mponina dia ny filazantsara nosoratan’i Jaona (ampahany ao amin’ny Baiboly). Toa mahagaga izany safidy izany, ho ana olona tsy mino an’Andriamanitra !
Ao amin’io Filazantsara io mantsy dia mampigaga antsika ny hatsaran-toetra amam-panahin’i Jesosy, ary mahatalanjona antsika ny fitiavany. Izao no nolazainy tamin’i Nikodemosy, mpivavaka manam-pahalalana nikatsaka ny marina : „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia tonga olona mba hamaly ny filana lalin’ireo izay noarìny. Nisy vehivavy Samaritana iray nahita tao amin’i Jesosy, Ilay nahafantatra ny antsipiriany rehetra momba ny fiainam-pitiavany nisafotofoto (Jaona 4). Nisy lehilahy nalemy iray, nanirery teo anivona marary marobe, nositranin’i Jesosy (Jaona 5). Nisy vehivavy iray meloka noho ny fijangajangana, nahazo ny famelana ny fahotany (Jaona 8). Marta sy Maria avy any Betania dia niaina ny fangorahampony sy ny heriny : tamin’ny nahafatesan’i Lazarosy anadahin’izy ireo, dia nitomany Jesosy ; avy eo dia natsangany ho velona indray izy (Jaona 11). Mihazona ao aminy ny aina Jesosy. Noho ny fitiavany, Jesosy dia nanolotra ny ainy, mba hananan’izay mino Azy ny fiainana mandrakizay (Jaona 10:11, 15, 28).
Eny, ahitana tombony ny famakiana ny Filazantsara nosoratan’i Jaona, tsy amin’ny maha lahatsoratra kanto azy fotsiny, mitory ny fitiavana ka na ny tsy mino aza afaka mankafy azy, fa mba hinoana fa „Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo” (Jaona 20:31).