Alahady 5 Janoary 2025

Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy ? Ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy ? Salamo 8:3-4

Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra ; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany. Salamo 19:1

 

Ireo asan’Andriamanitra

Rehefa mandinika ny hamaro singa ny fahariana isika, singa samihafa tsy tambo isaina, dia tsy afaka tsy hitolagaga, manoloana ny haranitan-tsain’Ilay Mpahary. Araka izany, ny fahaiza-namorona ny tenan’olombelona dia nahatonga aingam-panahin’ny mpanoratra ny Salamo 139, hilaza ireto teny fiderana an’Andriamanitra ireto, hoe : „Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Ianao. Hidera Anao aho, fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy ; mahagaga ny asanao ; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany… Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho ; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza” (and 13-16). Ny hakanto-na voninkazo, ny harena-na fofo-manitra, ny hatsara tarehina vongan-dranomandry eny an-tampon-tendrombohitra, ny halalina lanitra rakotra kintana… dia sangan’asa maro aoka izany nataon’Andriamanitra ! Tsy mety tapitra ny zava-miafina mbola hitan’ny mpahay siansa momba azy ireny.

Manoloana izany herim-paharian’Andriamanitra izany, dia mahatsapa ny tenany ho bitika indrindra ny olona. Nefa Andriamanitra dia nanao asa mbola mahatalanjona kokoa noho ny fahariana : nanatona ny olombelona noarìny sady tiany Izy, tamin’ny nahatongavany ho olona mihitsy. Ary manoatra noho izany aza, fa io Olona io, Jesosy Kristy, dia nanolotra ny ainy teo amin’ny hazofijaliana mba hanaisotra ny sakana lehibe indrindra nanasaraka an’Andriamanitra tamin’ny voariny, dia ny ota. Omena ny fiainana mandrakizay ireo izay rehetra mino io hafatra mitory fitiavana io. Koa afaka midera an’Andriamanitra ireo olona ireo, tsy noho ny asam-pahariany ihany, fa indrindra noho ny asam-pamonjena ho ana mpanota navela heloka, ka nanjary „zanak’Andriamanitra” (Jaona 1:12).

„Lehibe ny asan’i Jehovah… Madera sady malaza ny asany” (Salamo 111:2-3).