Talata 7 Janoary 2025

Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao. Salamo 94:19

Andriamanitra… Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra… mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra. 2 Korintiana 1:3-4

 

Nohenoina sy nampiononina

Amin’ny ankapobeny isika dia mora mihetsi-po rehefa liana amintsika ny olona, ary mora tohina rehefa tsy raharahaina. Mafy lavitra noho izany aza ny manjo antsika, rehefa mandalo fotoan-tsarotra isika. Ny Tompo Jesosy, araka ny maha Olona lavorary Azy tetỳ an-tany, dia nahatsapa lalina ny fandaozan’ny olona Azy, indrindra fa ny fandaozan’ny mpiray tanindrazana aminy. Nitovy tamintsika Izy tamin’ny zavatra rehetra, afa-tsy ny amin’ny ota (Hebreo 4:15), ka afaka nahatakatra tsara ireo alahelo sy fahoriantsika. Nitomany Izy, niaraka tamin’ireo izay nitomany (Jaona 11:35).

Hanao ahoana re ny fiainan’ny kristiana e ? raha toa izy tsy afaka miantehitra amin’ny fanohanan’Andriamanitra. Ny olombelona dia mila henoina, takarina, ary ampaherezina, indrindra rehefa mijaly. Andriamanitra dia mijery mandrakariva ny fahorian’ny olona, indrindra ny fahorian’ireo zanany, izany hoe ireo izay mino an’i Jesosy Kristy (Jaona 1:12). Fampiononana lehibe sy fampaherezana antsika ny mahafantatra fa zanak’Andriamanitra isika. Diso fanantenana isika indraindray, na amin’ny manodidina antsika akaiky aza, nefa mahazo antoka fa Izy Tompo kosa dia mahatoky. Rehefa hitan’ny apostoly Paoly fa nandao azy ny olona rehetra, dia tsapany ny fampaherezana faratampony nataon’i Jesosy, Izay mitsangana eo anilan’ireo olony (2 Timoty 4:16-17). Na dia voavotra sy voavonjy aza ny zanak’Andriamanitra, dia mijaly ihany noho ny vokatry ny ota eto amin’izao tontolo izao (fahanterana, aretina…). Mandalo fahoriana sy fitsapana toy ny olona hafa rehetra izy, nefa kosa manana tombontsoa lehibe, mahafantatra fa eo aminy ny tanan’Ilay Ray any an-danitra, ary Izy no mampionona azy (Isaia 51:12).