Alarobia 8 Janoary 2025

… Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. 1 Jaona 5:20

Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, tahaka ny zanaka malala. Efesiana 5:1

 

Olona mpisarika

Maro ny olona manasongadina, amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, sehatra iray manavanana azy : lamaody, fanatanjahantena, kolontsaina, mozika… Manana anarana iantsoana azy izany anjara asa izany ankehitriny : olona mpisarika. Mbola maro kokoa noho izany ny olona manapa-kevitra hanaraka ny lahatsoratra aeliny, satria ny olona mpisarika sasany dia manana mpanaraka an-tapitrisany.

Raha anisan’ireny mpanaraka ireny ianao, mba efa nanontany tena ve ianao hoe iza ilay arahinao ? Iza no avelanao hitarika anao ? Ary inona no tombony ho azonao avy amin’izany ?

Mamelà ahy hampahafantatra anao Ilay hany modely tokana manana ny fahaizamanao rehetra tafaray amin’ny fomba lavorary, Ilay hany maniry hisarika ny fonao mba hahasoa anao, dia Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra naseho ho olona tetỳ an-tany. Nefa tsy mba olona mpisarika Izy tsy akory, ary tsy afaka hanapa-kevitra hanaraka Azy ho Mpampianatra isika, raha tsy manaiky fa Zanak’Andriamanitra Izy. Rehefa tonga tetỳ an-tany Izy, dia nino Azy ny mpianany ary nanaraka Azy, toa an’i Petera sy Jakoba ary Jaona (Marka 1:16-20). Naniry hianatra aminy izy ireo, ary Petera aza dia niteny hoe : „Hankany amin’iza moa izahay ? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay” (Jaona 6:68). Ny lanitra sy ny fiainana mandrakizay tokoa mantsy no nambaran’i Jesosy teny rehetra teny.

Ho an’ireo izay mino Azy, dia Izy no Mpamonjiny, ivon’ny fiainany sy ohatra alainy tahaka ; ary raha mibanjina Azy isika, dia „ovana hahazo izany endrika izany indrindra” (2 Korintiana 3:18). Modely toy inona moa izany, ho antsika ! hery mahasarika toy inona ! ahazoantsika vokatra toy inona !

Koa iza marina àry no tianao harahina, eo amin’ny fiainanao ? Iza no itokianao ? Iza no tianao hotahafina ?