Alakamisy 9 Janoary 2025

Fa tsy menatra ny filazantsara aho ; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany. Romana 1:16

(Hoy Jesosy :) Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo… Aza malahelo na matahotra ny fonareo. Jaona 14:27

 

Taratasy nalefan’olona iray voafonja

„Efa ho sivy volana izao no niovako fo handray ny Filazantsara, tatỳ am-ponja, ary hasambarana hatrany izany. Taloha aho dia efa mpino, saingy tsy nampihatra izany. Nanomboka tamin’ny nahafantarako ny Tompo Jesosy Kristy, dia Izy no nanjary anton’ny ahavelomako. Latsaka tao amin’ny faran’ny lavaka aho, nefa nosintoniny ambony mihoatra noho izay haiko noheverina, ary izany dia voninahitra mahafinaritra ho an’i Jesosy.

Vao niova fo handray ny Filazantsara ny reniko. Izaho no tretrika indrindra satria ankehitriny, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia afaka mifankahazo tsara izahay ary afaka mifampizara ihany koa ny fifaliana sy fiadanam-ponay… Fahasambarana lehibe izany ; ny maraina rehefa mifoha aho, dia manokatra ny Baiboliko ka mamaky andinin-tSorata Masina vitsivitsy sy mianatra izany, ary indrindra, mihaino ny tenin’i Jesosy Kristy. Mihaino hira fiderana an’Andriamanitra ihany koa aho. Noho izany rehetra izany, dia niova be aho, ary indrindra nihamatotra. Mbola te hianatra bebe kokoa ny amin’izany aho, satria mangetaheta ny Tenin’Andriamanitra, mila mamelona ny finoako. Manana lahatsoratra ara-Baiboly ve ianareo ? Mba te hizara ny tenin’ny Filazantsara amin’ireo miaraka amiko ato am-ponja ihany koa aho. Tena fahasambarana ny miaina ao anaty fiadanana sy fifaliana, ary te hizara izany fahasambarana izany amin’ny olona rehetra mba te hihaino ny Filazantsara aho.”

Jesosy dia tia antsika araka izao maha isika antsika izao, manatona antsika Izy eo amin’izay misy antsika. Manolo-tanana an’izay manaiky hametraka ny enta-mavesany eo an-tongony Izy. Raisiny an-tanana ireo entana ireo. Manafaka izay matoky Azy Izy. Mpamonjy mahery Izy, ary koa Ilay Sakaiza mihaino antsika, miara-mitondra amintsika ny fahoriantsika, ny maha manirery antsika… ny fifaliantsika. Eny, ny miaina miaraka amin’i Jesosy dia „hasambarana hatrany”…

Ianao ve mba efa nanokatra ny fonao ho an’i Jesosy ?