Zoma 10 Janoary 2025

Fa Davida kosa nampahery ny tenany tamin’i Jehovah Andriamaniny. 1 Samoela 30:6

Tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra… Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy. 2 Timoty 4:16-17

 

Antso vonjy

Raha anisan’ireo izay ahitana taratra fikomiana sy famoizam-po ianao eo amin’ny fihetsikao rehetra, izany hoe endrika milongilongy, vatana mikainkona, fijery tsy mahita na inona na inona, toe-tsaina amam-panahy tsy voafehy, hasosorana, herisetra… Raha te hitoka-monina ianao, satria manantena ho afaka amin’ny rahona maintin’ny tebiteby rehefa manao izany… Raha te hanaisotra io vatobe manavesatra ny fonao io ianao… Raha mahatsapa ny tenanao ho irery ianao, mihevi-tena ho tsy misy ilana azy, tsy misy olona mahatakatra izay manjo anao, gadra ao amina tontolon’olona tsy miraharaha ny hafa na feno fankahalana, raha leon’ny hafa ianao, na angamba leon’ny tenanao… Raha toa ny fiainanao tsy misy afa-tsy fifandimbiasana andro tsy misy tsirony, tsy hay zakaina… Raha toa tsy misy olona liana ny aminao… Raha misoko mangina ao anatinao lalina ao ny harerahan-tsaina amam-panahy, ary indraindray aza, mandalo ao an’eritreritrao ny hamono tena… Raha tsy manan-kery akory ianao hiantsoana hoe : Vonjeo !… Henoy, manana antony ilazana aminao aho hoe : Mitrakà indray, mahereza !

Mila fierena na fialofana ve ianao ? Misy izany toerana izany. Mila olona mihaino sy mahatakatra ny mahazo anao ve ianao ? Akaiky dia akaiky anao io olona io, „Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana” (Salamo 46:1). Ny Tompo Jesosy Kristy izany. Miteny aminao Izy ankehitriny, toy ny nitenenany tamin’ireo rehetra maratran’ny fiainana izay nifanena taminy fony Izy tetỳ an-tany, hoe : „Matokia, anaka…” (Matio 9:2).

Antsoy Jesosy hamonjy anao, Izy no mampahery sy mampahatanjaka ny fanahy sy ny tena, Izy no mihaino ny sentonao faran’izay kely, satria sarobidy indrindra eo imasony ianao. Hanafaka anao amin’ny vesatry ny fahotanao Izy.