Asabotsy 11 Janoary 2025
(Hoy Jesosy :) Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Raha tsy latsaka ao amin’ny tany ny voam-bary ka maty, dia mitoetra foana izy ; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be. Jaona 12:24
Tao amina tontolo nitiavan’ny olona hotompoina, dia tonga Jesosy mba hanompo, nanao soa nefa tsy mihatakataka toy ny fanaon’olona mpanao soa te hiseho ho ambony noho ireo izay asiany soa. Jesosy dia tonga mba ho sakaiza. Rehefa nihaona tamina vehivavy iray avy any Samaria Izy dia nangataka fanampiana taminy mihitsy aza : nangataka rano hosotroina (Jaona 4). Sakaizan’ny mpanetry tena sy ny mahantra Izy.
Raha tsy nampandriana tao anatina fihinanam-bilona Jesosy, fony vao teraka, fa noraisina tany amina lapa, ho afaka nitsaoka Azy ve ny mpiandry ondry ? Manohina antsika izany fietreny an-tsitrapo izany : tsapantsika fa afaka manatona Azy isika. Tsy miova Izy, fa mahari-po, malemy fanahy, manetry tena hatrany.
Jesosy, ao amin’ny tenin’ny mpaminany Isaia, dia toa milaza vokatra mampalahelo momba ny famangiany ny olombelona, hoe : „Foana ny nisasarako”, nefa kinga kosa Izy nanampy fa Andriamanitra no handanja ny asany. Ary namaly Andriamanitra hoe : „Fa homeko… Ianao, mba ho famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany” (Isaia 49:4, 6).
Tsara ny mahafantatra fa afaka mitodika amin’Andriamanitra isika rehefa tojo tsy fahombiazana, satria mandalo izany avokoa isika rehetra. Indraindray dia noho ny fahadisoantsika : ohatra, mpianatra tsy nianatra tsara ka tsy afa-panadinana. Nefa koa mety tsy hahomby isika, na dia niezaka fatratra aza. Misy karazany maro ny tsy fahombiazana : arak’asa, ara-pianakaviana, ara-pitiavana… Iza amintsika moa no tsy nandalo izany mihitsy ?
(hitohy)