Alahady 12 Janoary 2025
Kristy Jesosy… nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona… Izy dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana. Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra. Filipiana 2:5-9
Tetỳ an-tany ny Tompo Jesosy dia nampisy haja na dia izay natao tsinontsinona teo amin’ny olona aza. Izy no Ilay mahantra. Nefa hamboniana toy inona moa no niseho, teo amin’ny fiainam-pahantrany ! Ilay Zanak’Andriamanitra, Mpahary izao tontolo rehetra izao, dia mpandrafitra. Tsotra fiteny Izy, tsy mba nitady ho mamim-bahoaka, na hifantohan’ny tontolo manam-pahaizana. Feno fahamboniana Izy, tao amin’ny fiainany manetry tena.
Rehefa nifarana io fiainany lavorary io dia nosamborina ny Tompo Jesosy, ary nohomboana teo amin’ny hazofijaliana. Toa tsy fahombiazana tanteraka no fijery izany… Nijoro ho mendrika Izy, nanoloana ny fanevatevan’ny olona naniratsira ny hamorampo sy fanetrentenany. Nororan’izy ireo ny tavany feno fiandrianana, nokapohiny Izy. Notevatevaina Izy, niaritra ny zavatra rehetra, satria te hamonjy ireo olona ratsy fanahy ireo. Niharihary ny hamendrehana sy fiandrianany, rehefa nosatrohina fehiloha tsilo norandranin’olona tsy marina Izy, ary nivavaka ho azy ireo hoe : „Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34).
Teo amin’ny hazofijaliana, tao anaty haizim-pito nanomboka mitataovovonana ka hatramin’ny 3 ora tolakandro, Jesosy dia nizaka sy nanonitra ny faniratsiran’ny olombelona mikomy. Rehefa tapitra ireo ora telo ireo, dia niteny tamin’ny feo mahery Izy hoe : „Vita !” (Jaona 19:30). Tontosany ny asa nasain’ny Ray nataony. Io asa io no ahazoan’Andriamanitra mamindra fo, na dia amina mpanota faraidiny aza, raha toa miaiky fa mpanota io olona io. Mbola hoy koa Jesosy hoe : „Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko” (Lioka 23:46). Niditra an-tsitrapo tao amin’ny fahafatesana Izy, nandresy, ary nitsangana velona indray sy niakatra ho eo ankavanan’Andriamanitra. Resiny ny fahafatesana sy i Satana ! Afaka tamin’ny herin’ny ota sy ny fahafatesana ny mpino, ary mahavita mitia an’Andriamanitra sy mitia ny namany… Fandresena anie izany ka fandresena e !