Alatsinainy 13 Janoary 2025
Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe : Aiza moa ianao ? Genesisy 3:9
Aiza moa ianao ? no fanontaniana voalohany mipetraka ao amin’ny Baiboly, napetrak’Andramanitra tamin’i Adama meloka, vao avy tsy nankatò ny teniny. Ny fieritreretana ratsy dia nanosika ireo ray aman-drenintsika voalohany hiery. Io fihetsika tena tranainy io dia mbola mahazatra aoka izany ankehitriny ! Firifiry moa ireo olona tsy mahazo aina, manoloana an’Andriamanitra ! Noho ny fahadisoany dia mandositra ny fanatrehany izy ireo, miezaka tsy hiresaka momba Azy na hieritreritra Azy mihitsy aza.
Aiza moa ianao ? Tsy nametraka io fanontaniana io tsy akory Andriamanitra, satria hoe tsy fantany ny toerana niafenan’i Adama sy ny vadiny, fa mba hahatonga saina azy ireo hoe zava-doza ny fanalavirany. Ankehitriny koa dia fantatr’Andriamanitra tanteraka ny toerana misy ny tsirairay eo anatrehany.
Aiza moa ianao ? dia mitoetra ho fanontaniana fototra. Zava-dehibe kokoa ny toerana misy anao manoloana an’Andriamanitra, noho ny fiainanao ara-piarahamonina, arak’asa na ara-pianakaviana.
Aiza moa ianao ? dia milaza ihany koa ny fiahian’Andriamanitra, Izay mitady ny olombelona tsirairay. Andriamanitra dia tsy manome rariny ny fanalaviran’ireo zavaboariny.
Ahoana no hahitana indray io fifandraisana very io ? Amina ezaka ataon’olombelona ve ? noho ny antokom-pivavahana iray hitarika azy hanatanteraka asa mendrika hoderaina ? Tsia, tsy misy na inona na inona, avy amin’olona mpanota, afaka hahafaly an’Andriamanitra. Nefa na tsy afaka manatona an’Andriamanitra aza ny olona, Izy kosa dia nanatona antsika, tena akaiky antsika, hany ka naka ny toerana maha olona antsika. Jesosy dia nitafy ny toetra maha olona antsika. Tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana Izy dia nanafoana ny fahamelohan’ireo rehetra mino Azy, sy nanome azy ireo ny fiainana mandrakizay.
Ianao izay mamaky ity takelaka ity, aiza ho aiza ianao ny amin’izany ?