Talata 14 Janoary 2025
Niantso an’i Jehovah tamin’ny fahoriako aho, ka dia namaly ahy Izy. Jona 2:3
Izaho no hiandry ny ondriko, ary Izaho no hampandry azy, hoy Jehovah Tompo. Ny very hotadiaviko. Ezekiela 34:15-16
Ny bokin’i Jona dia milaza ny tantara-na mpaminany iray nanankinan’Andriamanitra asa misiona ; nefa nandà izany izy, ary nandositra tany anaty sambo iray. Natsipy tany anaty ranomasina izy, ary natelina hazandrano lehibe. Koa rehefa tao anatin’ny kibon’io biby io izy dia nahatsiaro an’Andriamanitra. Nivavaka taminy izy, ka nanafaka azy Andriamanitra. Mety hisy hilaza hoe : Raha zohina, na dia tsy mankatò an’Andriamanitra aza, dia afaka ho tafavoaka hatrany !
Tandremo ! Andriamanitra tsy azo vazivazina…
Ry kristiana, Andriamanitra dia tia antsika ary mijery ny alehantsika. Nahatsapa izany i Davida mpanjaka ka niteny hoe : „Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao ?… Na dia… hitoetra any am-paran’ny ranomasina [aza aho], dia mbola… hazonin’ny tànanao ankavanana” (Salamo 139:7-10). Fantatr’Andriamanitra ny ao an-tsaintsika, fantany rehefa mitodi-damosina Azy isika. Na izany aza anefa, Izy ve dia hamela antsika hizotra amina lalana manalavitra ny sitrapony ? Satria tiany isika, dia tiany „haverina” indray. Mety hampiasa toejavatra sarotra eo amin’ny fiainana Izy, toy io hazandrano ho an’i Jona io.
Ahoana no ho fihetsitsika ? Rehefa tao anaty tebiteby mafy i Jona dia nitodika tamin’Andriamanitra, ary niteny hoe : „Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, dia nahatsiaro an’i Jehovah aho ; ka tonga tao aminao ny fivavako, dia tao amin’ny tempolinao masina” (Jona 2:8). Dia hitan’Andriamanitra tao am-pon’i Jona ny fahoriany sy ny faniriany hahita indray ny fanatrehan’Andriamanitra, ka nanafaka azy Izy. Naloan’ilay hazandrano i Jona, velona soa aman-tsara.
Raha very any amina lalana lavitra an’Andriamanitra isika, ary angamba ao anaty toejavatra tsy hay vahana, dia ndao hiaiky aminy ny hadisoantsika sy ny faniriantsika hahita Azy indray. Hahare antsika Izy, satria tsy mandao ny olony, na oviana na oviana ; tiany loatra izy ireo, novidiny tamin’ny ran’i Jesosy Zanany mihitsy !