Alarobia 15 Janoary 2025

Faly aho noho ny teninao, tahaka ny mahazo babo be. Salamo 119:162

[Ny lalànan’ny vavanao]… mahatsara ahy mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo. Salamo 119:72

 

Harena tsy noraharahaina

Miady tsy mitsahatra ny ray aman-dreny ao amin’ity tokantrano iray, ary toy izany koa ireo zanany. Nandondòna teo am-baravarana ny mpifanolo-bodirindrina iray, ary nanatrika io korontana io. Niala tsiny avy hatrany ilay raim-pianakaviana :

— Manao azafady izahay, fa ny olanay dia izao : vao misy zavatra kely, dia raikitra ny ady.

Nijerijery manodidina azy ilay mpifanolo-bodirindrina, izay kristiana, ary nahatazana Baiboly iray teo ambony talantalana. Nanindry mafy izy, nanambara hoe :

— Ry namako isany, manana harena ianareo, ato an-tokantranonareo. Afaka ho ianareo no ankohonana sambatra indrindra eto an-tanàna.

Dia lasa izy, rehefa avy nilaza izany teny mifono zava-miafina izany. Samy tankina izy rehetra, ary nanontany tena ny amin’izay tiany holazaina. Toa matotra ilay lehilahy teo, nefa aiza ho aiza no mety hisy izany harena izany ? Naneso azy ireo àry ve izy ?

Indray andro, nanala vovoka ny renim-pianakaviana, ka nanainga ilay Baiboly nosokafana imbetsaka tsy tambo nisaina fahiny… Nieritreritra izy, niteny moramora hoe :

— Mety ho ity va re izany harena izany e ? Tena ity mihitsy ka, satria kristiana iny mpifanolo-bodirindrina aminay iny !

Nosokafany ilay Baiboly voadio tsara, tiany hahafantarana izay nety hitan’ny renibeny ho mahaliana aoka izany tao amin’ireo takila. Ary indro izy tojo fehezanteny iray hainy tsianjery, hoe : „Ny lalànan’ny vavanao no mahatsara ahy, mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo”. Rehefa nody tao an-trano ny vadiny, dia tamin’endrika falifaly no nilazany taminy hoe :

— Hitako ilay harena ! Ato izy, ato anatin’ity boky ity…

Ny hariva dia nivory ny iray trano, liana nanongilan-tsofina, nihaino tam-pilaminana ny vakiteny voalohany. „Hotahiny izay matahotra an’i Jehovah, na ny kely na ny lehibe” (Salamo 115:13).