Alakamisy 16 Janoary 2025

(Hoy Jesosy :) Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko ; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho ; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. Matio 11:28-29

 

Elonaina fisidinana

Rehefa atosiky ny rivotra ny elonaina fisidinana, dia miakatra eny amin’ny habakabaka. Mba tiako koa raha tiako ! ny hahatsapa tena ho afaka, hisidina lavitr’ireo adin-tsaiko, lavitr’ireo fahadisoako mitambesatra amiko sy mangeja ahy ! Dia hozakaiko mandritra ny fiainako manontolo ve ireo ? Davida mpanjaka, nidonam-pahoriana lehibe, dia efa niandrandra izany fanafahana izany : „Tahotra sy hovitra no mahazo ahy… Ka hoy izaho : Enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako” (Salamo 55:5-6).

Ahoana no haha afaka ahy amin’ny vesatr’ireo fahadisoako ? Roa arivo taona lasa izay, teo amin’ny hazofijaliana, dia nentin’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, izy rehetra ireo. Nisolo toerana ahy Izy, nizaka ny fanamelohan’Ilay Andriamanitra marina sy masina. Maty Izy, nefa nitsangana velona indray nony afaka hateloana : tamin’izany Andriamanitra dia nampiseho fa nanaiky ny sorona nataon’ny Zanany, ho famelàna ny fahotantsika.

Ary ankehitriny, raha manaiky an’i Jesosy ho Mpamonjiko aho, dia hiova ny fiainako. Tsy hangeja ahy intsony ny vesatr’ireo fahadisoako. Miaiky ireo aminy aho ; mamela ahy Izy. „Efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo” (2 Korintiana 5:17).

Ary ireo adin-tsaiko ? Hitan’i Jesosy ny fiainako manontolo, fantany ny olako rehetra, hatramin’izay bitika indrindra. Afaka ambarako aminy am-patokiana izay manavesatra ahy. Ny vavaka no manafaka ahy amin’ireo enta-mavesatro. Ampirisihin’ny Tompo aho hiantehitra aminy, hametraka azy ireo sy tsy haka azy ireo intsony. Am-piadanana sy am-patokiana no handehanako indray, feno hery sy fifaliana vaovao. Mahatsiaro ny tenako ho entina sandry mahery sy feno fitiavana aho.

Ianao koa ve mba te hiaina izany fanafahana izany ?