Zoma 17 Janoary 2025

(Hoy Jesosy :) Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo. Jaona 15:11

Ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo. Nehemia 8:10

 

Ny fifalian’ny mpino

Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly toko faha 8 dia mitantara fihaonana iray tsy nampoizina sy mahagaga, tany an-taniefitra, fihaonan’i Filipo, mpianatra nirahin’Andriamanitra, sy mpandeha Etiopiana iray, nanontany tena momba ny hevitra lahatsoratra iray ao amin’ny Baiboly. Tamin’ny fanazavana nomeny, Filipo dia nanambara taminy ny anaran’i Jesosy, ary „nifaly” ilay Etiopiana, nanohy ny diany.

Fifaliana lalina no mameno ny fon’ny olona tsirairay vao niova fo ho an’i Kristy, rehefa tonga saina izy fa voavonjy, afaka tanteraka amin’ireo fahotany.

Toy ny fitiavana sy ny fiadanana, ny fifaliana dia „vokatry” ny Fanahy Masina ataony ao anatin’ny mpino (Galatiana 5:22). Ny fifaliana dia vokatry ny fifandraisan’io mpino io amin’ny Tompony. Manome azy aina vaovao i Kristy, ary manjary Loharanon’ny fifaliany. Ny hoe misotro eo amin’io Loharano io, dia mianatra hahafantatra an’i Jesosy. Ny hoe mijanona eo anilan’ny Loharano, dia mikatsaka hitoetra eo amin’ny fanatrehany. Izany dia hoe miresaka aminy amin’ny alalan’ny vavaka, mamaky ny Baiboly, izay mampahafantatra Azy, miasa amin-joto hanompo Azy.

Natao hitombo io fifaliana io : arakaraka ny hamenoan’i Kristy ny fo no hananana fahasambarana amin’ny fiheverana Azy sy ny fankatoavana Azy. Miaraka amin’ny mpino mandritra ny fiainany izany fifaliana izany, na dia ao anaty toejavatra sarotra aza izy. „Tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo”, hoy Jesosy tamin’ny mpianany. Izany fifaliana izany dia mifamatotra amin’ny fanantenantsika : eny, ny mpino dia mifaly satria mahafantatra fa ho any an-danitra tsy ho ela miaraka amin’ny Tompony, Ilay Sakaiza nianteherany nandritra ny fiainany sy nianarany hofantarina tsara kokoa hatrany.

Io fifaliana io dia tena misy sady lalina. Efa iainanao ve izy io ?