Asabotsy 18 Janoary 2025
Tsy nisy nahita an’Andriamanitra, na oviana na oviana ; fa ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy. Jaona 1:18
Ao amin’ny Testamenta Taloha, Andriamanitra dia fantatry ny mpino, nefa tsy hita maso. Hoy Izy tamin’i Mosesy : „Tsy mahazo mahita ny tavako ianao ; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona” (Eksodosy 33:20). Andriamanitra dia mitoetra ao amin’ny mazava tsy hay hatonina, Izy „Izay tsy hitan’olona sady tsy hainy jerena” (1 Timoty 6:16).
Ny nahaterahan’i Jesosy dia fiaingana fanambarana vaovao. Ilay Andriamanitra tsy hita maso dia nanjary hita maso tao amin’ny Zanany. Jesosy dia Olona azon’ny olona rehetra nohatonina, sady Andriamanitra ihany koa. Ary naneho ireo rehetra toetran’Andriamanitra Izy, sady Olona ihany koa. Niteny Izy hoe : „Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray” (Jaona 14:9).
Nandritra ny telo taona mahery, ny mpianatra dia niara-niaina tamin’i Jesosy. Ny asasoratr’izy ireo dia manambara ny zavatra hitan’izy ireo : ny nanaovan’i Jaona batisa Azy, ny lalana fandavantena nizorany, ny nahafatesany sy ny nitsanganany velona indray.
Nefa na lavorary aza ny fiainan’i Jesosy, dia nolavin’ny tontolo ara-pivavahana sy ara-pôlitika Izy. Ireo mpaminany dia nanambara ny hiaviana Mpanafaka iray, nefa Izy tsy tonga toy ilay Mpanjaka be voninahitra nandrasan’ny Jiosy. Efa nanambara mialoha i Isaia mpaminany hoe : „Tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy ; ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy. Natao tsinontsinona… Izy… ka tsy mba nahoantsika” (Isaia 53:2-3). Ny voninahitr’i Jesosy dia niafina, fa ny toe-tsaina amam-panahiny kosa dia nampamirapiratra ny fiainany tetỳ an-tany.
Ankehitriny Izy dia tsy hitantsika, satria niakatra any an-danitra, taorianan’ny nitsanganany velona indray. Nefa ny mpino dia nandray ny Fanahy Masina, Izay manampy azy ireo mba hamantatra ao amin’ny Baiboly ny halehiben’ny Tompo Jesosy, sy mba haneho ny toetrany.
(hitohy)