Alahady 19 Janoary 2025
Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra… Ary ny Teny dia tonga nofo (tao amin’i Jesosy) ka nonina tamintsika. Jaona 1:1, 14
(Hoy Petera tamin’i Jesosy :) Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Jaona 6:68
Ity no Zanako malalako, Izy no henoy. Marka 9:7
Nanjary hita maso Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Jesosy. Rehefa Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, no niteny, dia Andriamanitra no re niteny. „Tenin’Andriamanitra” Izy. Jesosy dia nahatonga antsika hahare teny feno fahasoavana sy fahamarinana avy amin’Andriamanitra Rainy. Nilaza hafatra mitory famelan-keloka sy fanantenana Izy, ho an’ireo izay nihaino Azy. Nirahin’Andriamanitra Izy mba „hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo… hitory fandefasana amin’ny mpifatotra”. Voakasika ny fon’ny vahoaka nihaino Azy : „Ary izy rehetra nankalaza Azy, sady talanjona noho ny tenin’ny fahasoavana naloaky ny vavany” (Lioka 4:18-22).
Toy ny andriamby matanjaka ny fitiavan’i Jesosy, ka nahababo olona maro. Nosintoniny ireo izay nahatsapa fa mila famelan-keloka sy fiadanana. Satria marina sy mahitsy Izy tamin’ny teniny, dia voatery ireo izay nihaino Azy hiaiky fa avy amin’Andriamanitra ny hafatra nentiny. Niharihary niaraka tamin’izany koa ny fihatsarambelatsihy ara-pivavahana. Tsy afa-niala teo anatrehan’ny fahazavana maranitry ny teniny ireo mpitarika ara-pivavahana, ka nitady hampangina Azy. Niverin-dalana ireo mpiambina nirahina hisambotra Azy, ary tohina mafy, ka hentitra nanambara hoe : „Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany” (Jaona 7:46).
Ny votoatin’ny hafatra nentin’i Jesosy, hafatra mbola manankery ankehitriny, dia fampanantenana mahatalanjona : ny fiainana mandrakizay, atolotra maimaimpoana ho an’ireo izay mandray ny teniny. Io fiainana io dia manjary zavamisy ao am-pon’izay miaiky eo anatrehan’Andriamanitra fa mpanota, sy mandray ny famonjena atolony ao amin’i Jesosy.
Ny Baiboly manontolo dia Tenin’Andriamanitra. Ndao hamaky azy, hanokatra ny fieritreretantsika sy ny fontsika hidiran’i Jesosy. Ndao hihaino Azy !
(hitohy)